1. Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.
2. Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3. Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4. Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.
5. Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.