52. Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
53. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54. Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
55. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
56. Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
57. Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
58. Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59. Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
60. Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
61. Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.