Salamo 119:38-52 Malagasy Bible (MG1865)

38. Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.

39. Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.

40. Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.

41. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.

42. Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.

43. Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.

44. Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.

45. Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.

46. Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.

47. Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.

48. Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.

49. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.

50. Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.

51. Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.

52. Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.

Salamo 119