Salamo 119:142-148 Malagasy Bible (MG1865)

142. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.

143. Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.

144. Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.

145. Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;

146. Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.

147. Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.

148. Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.

Salamo 119