137. Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
138. Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
139. Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
140. Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
141. Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
143. Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
144. Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
145. Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
146. Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
147. Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.