Salamo 119:129-132 Malagasy Bible (MG1865)

129. Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.

130. Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.

131. Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.

132. Todiho aho, ka mamindrĂ  fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.

Salamo 119