Salamo 119:117-127 Malagasy Bible (MG1865)

117. Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.

118. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.

119. Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.

120. Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.

121. Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.

122. Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.

123. Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.

124. Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.

125. Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.

126. Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.

127. Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.

Salamo 119