4. Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5. Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6. Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
7. Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.
8. Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.
9. Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
10. Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11. Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
12. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
13. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14. Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
15. Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery;
16. Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery.
17. Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah.
18. Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
19. Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.