Salamo 118:18-29 Malagasy Bible (MG1865)

18. Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.

19. Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.

20. Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.

21. Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.

22. Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.

23. Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.

24. Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.

25. Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!

26. Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.

27. Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza.

28. Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.

29. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

Salamo 118