Salamo 118:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

2. Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

3. Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

4. Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

5. Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.

6. Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?

7. Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.

8. Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.

9. Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.

10. Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;

11. Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.

12. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.

13. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.

14. Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.

Salamo 118