7. Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8. Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
9. Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
10. Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
11. Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.