Salamo 116:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.

5. Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.

6. Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.

7. Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,

8. Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.

9. Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.

10. Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.

Salamo 116