Salamo 116:13-18 Malagasy Bible (MG1865)

13. Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.

14. Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra.

15. Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.

16. Indrisy! Jehovah รด, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.

17. Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.

18. Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,

Salamo 116