1. Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
2. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3. Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.
4. Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah รด, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5. Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6. Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
7. Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8. Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
9. Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
10. Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.