Salamo 115:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.

9. Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

10. Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

11. Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

12. Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy;

13. Hotahiny izay matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.

14. Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.

15. Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

16. Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.

17. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;

18. Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.

Salamo 115