Salamo 115:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

2. Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3. Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4. Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:

5. Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6. Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:

7. Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8. Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.

9. Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

10. Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

11. Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

12. Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy;

Salamo 115