2. Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
3. Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.
4. Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
5. Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,
6. Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7. Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika,
8. Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.