Salamo 110:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2. Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.

3. Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

Salamo 110