Salamo 11:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?

4. Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.

5. Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.

6. Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.

7. Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.

Salamo 11