Salamo 11:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?

2. Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.

3. Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?

4. Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.

Salamo 11