Salamo 109:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy.

3. Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.

4. Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.

5. Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.

6. Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.

7. Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.

8. Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.

9. Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny

Salamo 109