18. Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo;
19. Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
20. Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
21. Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
22. Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
23. Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
24. Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
25. Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
26. Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
27. Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
28. Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
29. Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
30. Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.
31. Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.