Salamo 108:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.

2. Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.

3. Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.

4. Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.

5. Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

6. Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

7. Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

8. Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;

9. Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.

10. Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

11. Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

Salamo 108