27. Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
28. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.
29. Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
30. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
31. Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
32. Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona.
33. Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
34. Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
35. Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
36. Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
37. Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
38. Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39. Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40. Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
41. Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
42. Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
43. Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.