Salamo 106:4-19 Malagasy Bible (MG1865)

4. Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,

5. Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.

6. Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.

7. Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena

8. Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.

9. Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,

10. Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.

11. Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

12. Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.

13. Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,

14. Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.

15. Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.

16. Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.

17. Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.

18. Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.

19. Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.

Salamo 106