Salamo 106:35-47 Malagasy Bible (MG1865)

35. Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,

36. Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.

37. Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo;

38. Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.

39. Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.

40. Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.

41. Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.

42. Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.

43. Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.

44. Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;

45. Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.

46. Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.

47. Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.

Salamo 106