24. Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25. Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
26. Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27. Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy.
28. Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
29. Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30. Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31. Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
32. Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo;
33. Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.