Salamo 106:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.

16. Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.

17. Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.

18. Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.

19. Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.

20. Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.

21. Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,

22. Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.

Salamo 106