Salamo 106:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.

2. Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?

3. Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.

Salamo 106