8. Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
9. Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
10. Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
11. Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
12. Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
13. Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
14. Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15. Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
16. Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
17. Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
18. Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.