Salamo 105:19-35 Malagasy Bible (MG1865)

19. Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.

20. Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.

21. Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,

22. Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.

23. Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.

24. Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.

25. Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.

26. Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.

27. Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.

28. Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.

29. Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.

30. Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.

31. Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra.

32. Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.

33. Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.

34. Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;

35. Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.

Salamo 105