8. Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
9. Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10. Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
11. Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
12. Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13. Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.