Salamo 103:2-8 Malagasy Bible (MG1865)

2. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

3. Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,

4. Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

5. Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.

6. Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.

7. Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.

Salamo 103