Salamo 103:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

2. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

3. Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,

4. Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

5. Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.

6. Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.

7. Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.

Salamo 103