Salamo 102:26-28 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;

27. Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.

28. Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

Salamo 102