25. Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
26. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
27. Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
28. Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.