Salamo 102:22-28 Malagasy Bible (MG1865)

22. Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.

23. Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;

24. Hoy izaho: Andriamanitro รด; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.

25. Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.

26. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;

27. Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.

28. Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

Salamo 102