2. Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingĂ na hamaly ahy.
3. Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4. Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5. Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
6. Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanĂ naolo.
7. Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8. Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.