Salamo 102:13-20 Malagasy Bible (MG1865)

13. Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.

14. Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.

15. Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;

16. Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;

17. Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.

18. Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;

19. Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,

20. Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,

Salamo 102