12. Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
13. Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14. Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15. Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
16. Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17. Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18. Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;