10. Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
11. Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12. Nefa Hianao, Jehovah รด, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
13. Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14. Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15. Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
16. Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17. Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18. Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
19. Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20. Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
21. Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22. Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.