Salamo 102:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.

2. Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.

3. Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.

4. Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.

5. Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.

6. Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.

7. Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.

8. Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.

9. Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,

10. Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.

11. Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.

12. Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.

13. Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.

Salamo 102