Salamo 101:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.

2. Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.

3. Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.

4. Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,

5. Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;

Salamo 101