1. Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra.
2. Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
3. Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.