Salamo 10:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?

2. Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.

3. Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.

4. Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.

5. Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?

6. Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.

7. Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.

8. Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.

9. Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.

10. Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.

11. Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.

12. Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.

13. Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?

14. Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.

15. Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.

16. Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.

17. Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,

Salamo 10