Salamo 1:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.

4. Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.

5. Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.

6. Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.

Salamo 1