Romana 9:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.

9. Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).

10. Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka razantsika;

11. fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso),

12. dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);

13. araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).

14. Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany!

15. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19).

16. Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra.

17. Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16).

18. Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.

Romana 9