Romana 4:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?

2. Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.

3. Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).

4. Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.

5. Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.

6. Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe:

7. Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.

8. Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).

9. Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.

10. Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.

Romana 4