10. araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11. Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
12. Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
13. Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
14. Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
15. Ny tongony mimaona handatsa-drà;
16. Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;
17. Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
18. Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
19. Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,