25. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
26. ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
27. Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
28. Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29. Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30. Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po,
31. dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32. Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33. Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
34. Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
35. Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
36. Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.